Efa manomboka ny fanaovana terrassement miainga ao Morarano, efa tonga tsikelikely ireo akora fanaovana goudron

Tsy nofinofy na laingalainga araka ny vohizin’ny sasany fa efa mamaramparana ny installation de chantier ny orinasa CGC ary mampiditra tsikelikely ireo fiara sy akora entina hanantanterahana ny fanamboarana ny lalana ho goudron.
Efa misy engin miasa amin’iny lalana iny manao terrassement ary efa miainga ny asa fanamboarana.

Marihana moa fa hizara roa ny fanamboarana ity lalana RN44 ity ka Marovoay-Amboasary ity andiany voalohany efa manomboka ity ary hanomboka tsy ho ela kosa ny lalana Amboasary-Vohidiala izay ao anatin’ny appel d’offre amin’izao fotoana izao.

Efa nanao velirano ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tsy maintsy vita ity lalana RN44 mampitohy an’i Moramanga – Ambatondrazaka ity